Anisan’ny boriborintany iray teto Antananarivo naharenesana endrika tsy fahatomombanam-pifidianana be indrindra ny teo anivon’ny boriborintany fahefatra.
Nanamafy izany tetsy amin’ny biraony etsy Anosy omaly ny delegen’ity boriborintany ity, Daniel Solofoniaina Ramahandrimanana. Ohatra tamin’ireo tsy fahatomombanana nitranga moa ny fisiana birao miisa 6 izay vata fandatsaham-bato 3 ihany no niraisany. Teo koa ny fisiana olon-kafa ivelan’ny boriborintany izay navelan’ireo sefo fokontany sasany nifidy tao an-toerana tamin’ny alalan’ny fanamarinam-ponenana satria tsy nanana kara-panondro sy kara-pifidianana. Tsy teto ihany, hoy izy, fa manerana ny nosy, raha jerena amin’ny maso tsy miangatra, dia ratsy karakara indrindra iny fifidianana iny. Niaraha-nahita tamin’ny haino aman-jery izany saingy amin’ny maha delege anay moa dia tsy anjaranay loatra ny manadihady izay, hoy izy. Nomarihany fa nisy ny tsy fandriampahalemana nitranga nandritry ny fotoanan’ny fanisam-bato dia ny fifampihantsian’ireo mpanaradia kandida moa izany. Isaorako anefa, hoy izy ny vahoaka, nanaiky ho tony ihany avy eo ary nijanona ho rahom-bava ny fifampihantsiana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.