Politique

Fifidianana sy raharaham-pirenena Tsy mitsabaka ny Sinoa, hoy ny Masoivohony


  • Talata 02 Oktobra 2018

Ankalazaina isaky ny 1 oktobra ny fetim-pirenen’i Sina, ka tsy namela izany fotsiny ny teto Madagasikara, fa nankalazaina omaly teny amin’ny Masoivohon’i Sina teny Ankerana ny faha-69 taona nijoroan’ny Repoblika Entim-bahoakany.

 

 

 

Tamin’ny 1949 izy ireo no nahazo ny fahaleovantenany. Manamafy ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara i Sina, izay milaza fa 100 tapitrisa yuan ny fanampiana an’i Madagasikara tamin’ny endriny samihafa. 60 miliara dolara no natokan’i Sina ho an’ny fampandrosoana aty Afrika, raha ny navoitra tao anatin’ny Fihaonambe momba ny Fiaraha-miasa Sina-Afrika na ny FOCAC natao tany Beinjing iray volana latsaka kely izay, ka anisan’ny niatrika ny filoha teo aloha. Milaza moa ny sinoa fa tsy mitsabaka amin’ny fifidianana eto Madagasikara i Sina, fa manaja ny safidim-bahoaka na eo aza ny fanampiana, ary mitandro ny fiandrianam-pirenena Malagasy izy ireo raha ny nambaran’ny Masoivoho sinoa eto amintsika Yang Xiaorong. Maniry ny hisian’ny fitoniana ny sinoa satria izay no antoka voalohan’ny fampandrosoana. Maro ireo manampahefana voaasa nandritra ny lanonana, ka nisolotena ny fitondram-panjakana ny minisitry ny fiarovam-pirenena, dia ny Jeneraly Rasolofonirina Béni Xavier. Nanome voninahitra teny ihany koa ny ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT