Maro ny lalana nodiavn’ny firenena, raha tsy hitanisa afa tsy ny nanomboka ny 2009-2010.
Ny vahiny no nanapaka sy nampanao ny tondrozotra tamin’izany satria izy no niantoka ny ara-bola samihafa. Nandeha ny fifidianana 2013, dia nipoitra ny “ni …ni…” satria izy ireo no namatsy vola ny fifidianana. Afaka nody i Marc Ravalomanana ny taona 2014, ary afaka nirotsaka hofidianana na nokajikajiana tsy havela hirotsaka aza saingy ravan’ny tolon’ny fanovana tamin’ny volana aprily 2018 izany. Novoizin’ny sehatra iraisam-pirenena rahateo ny hoe: fifidianana malalaka sy eken’ny rehetra. Ny 20 febroary 2017, dia 12 tapitrisa dolara no ho an’ny zotram-pifidianana 2017-2019 eto Madagasikara, hoy ny solontena maharitry ny Firenena Mikambana Violette Kakyomya. Natao litania avy eo ny hoe fifidianana madio, mangarahara handraisan’ny rehetra anjara azo itokisana sy eken’ny rehetra. Efa samy nihetsiketsika nanao “pre-campagne” ny kandida 3 : Ravalomanana, Rajoelina, Rajaonarimampianina nosokajiana ho “favoris”. Nivoaka ny datim-pifidianana 3 karazana izay niteraka resabe. Raikitra ihany ny 7 novambra 2018 ny fihodinana voalohany, ka nitarika i Andry Rajoelina. Ny 19 desambra 2018 fihodinana faharoa, dia nambara fa nandresy ihany koa. Hafahafa ny fanangonana sy fikirakirana ny voka-pifidianana kanefa dia nanaiky ny iraisam-pirenena izay namatsy ny vola fa hoe mety io, eny fa na dia efa nitatitra aza ny mpanara-maso Eoropeanina fa nizara vola ny kandida 13. Nihaona tamin’ny vondrona Eoropeanina i Andry Rajoelina. Nankatoavin’ny HCC ny vokatry ny CENI. Nanao vava be ny filohan’ny HCC. Lany i Andry Rajoelina. Inona ny hoe madio sy mangarahara teo ? Sao dia lalaovin’ny iraisam-pirenena sy tereny hanaraka ny sitrapony aza ny Malagasy satria azy ny vola ? Efa samy mahita ny tombontsoany ve izany ny vahiny ka ekena aloha i Andry Rajoelina ? Nampiasaina natao tohatra fiakarana Ravalomanana dia terena hifitsaka avy eo ? Ny vazaha tompon’ny vola izany no tena manao ny mangatsiaka sy ny mafana eto ! Mangina ny tompon-tanàna, manjakazaka ny tompon’ny vola. Loza…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.