Politique

Fifidianana solombavambahoaka “Tsy ho tratra ny 20 martsa”, hoy i Thierry Rakotonarivo


  • Zoma 11 Janoary 2019

Ny 16 desambra lasa teo no nandroso volavolana tetiandrom-pifidianana tany amin`ny governemanta ny vaomiera misahana ny fikarakarana fifidianana (CENI) izay namaritra fa ny 20 martsa ho avy izao ny fanatanterahana fifidianana solombavambahoaka.

 

 Tsy ho tratra ny hanaovana ny fifidianana amin`ilay daty voatondro, hoy i Thierry Rakotonarivo filoha lefitry ny CENI, satria tsy maintsy havoaka ny didim-panjakana miantso ireo mpifidy hanefa ny adidiny 90 andro mialoha ny hanatontosana ny fifidianana. Ny 20 desambra 2018 no tokony ho nivoaka ny didy fampiantsoana ataon`ny governemanta. 74 andro ny fe-potoana ilain`ny CENI hahafahana mikarakara ny fifidianana solombavambahoaka, hoy ihany izy. Nahatontosa ny adidiny ny teo anivon` ny CENI kanefa tsy tratra intsony ny fe-potoana. Ny 5 febroary no hifarana ny fe-potoana hiasan`ny depiote etsy Tsimbazaza ka mety hisy ny fahabangana amin`ny andrim-panjakana (vide institutionnel). Tsy ho tratra ny hisian`ny Antenimieram-pirenena vaovao hivory voalohany amin`ny talata voalohany amin`ny volana mey ho avy izao, izay fivoriana ara-potoana voalohany amin`ity taona 2019 ity. Nampatsiahy kosa ity vaomieram-pirenena ity fa efa nanomboka ny 1 desambra lasa teo ny fisokafan`ny lisi-pifidianana izay tafiditra ao anatin`ilay fanavaozana ny lisi-pifidianana eto Madagasikara ka hifarana ny 15 febroary ho avy izao ny fandraisana ny anarany ary hofaranana vonjimaika ny faran`ny volana febroary ihany. Manaitra sy manainga ny rehetra i Thierry Rakotonarivo mba handray ny andraikiny ny olo-pirenena tsirairay amin`ny fanavaozana lisi-pifidianana satria anisan`ny olana napetraka teto Madagasikara nandritra ny fifidianana filoham-pirenena ny lisi-pifidianana. Hisy kosa ny fiaraha-miasa akaiky eo amin`ny CENI sy ny fokontany ary ny kaomnina amin`ny fanesorana ireo olona efa maty ao anatin`ny lisi-pifidianana.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT