Araka ny voalaza ao anatin’ny lalàna mifehy ny fifidianana dia 90 andro mialoha ny fifidianana no tokony hivoaka ny didy fiantsoana ny mpifidy hanatanteraka ny adidiny.
Araka izany, amin’ny faran’ny volana aprily no tokony hanatontosana ny fifidianana solombavambahoaka raha hiroso amin’izany ny governemanta vaovao izay hijoro ato ho ato. Marihana fa ny 05 febroary no mifarana ny fe-potoam-piasana eo anivon’ny parlemantera etsy Tsimbazaza. Amin’izao fotoana dia mbola manao ny asany ny birao maharitra. Azo antoka aloha ny tsy maintsy hitaran’ny fe-potoam-piasana. Araka ny feo mandeha, any amin’ny volana aogositra no mety hanatanterahana ny fifidianana solombavambahoaka sady miankina ny fanapahan-kevitry ny filoha vaovao sy ny governemanta izay hajorony ny tetiandro amin’ny fifidianana. Ny kajikajy politika ihany koa tsy maintsy mandeha satria maro amin’ireo olona nanohana sy nampandany an-dRajoelina no efa mieritreritra fa ho depiote, rehefa tsy tafiditra any anaty minisitera. Re fa efa misy sahady aza ny ady mangatsiaka eo amin’ny Mapar sy ireo fikambanana na vondrona politika hafa izay sokajiana ho mpijapy lamasinina sy sakaizan’ny mpandresy.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.