Misokatra amin’ ny 6 ora maraina ny latsabato ary mikatona amin’ny dimy ora rahampitso 7 novambra hanatanterahana ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena eto amintsika.
Tsy azo atao intsony ny manao fampielezan-kevitra nanomboka omaly alatsinainy 5 novambra 2018 amin’ny 12 ora alina. Izay ao anaty lisi-pifidianana ihany no afaka mifidy ary tsy maintsy ao anatin’ny lisitra ao amin’ny biraom-pifidianana handatsahana vato ianao. Tsy marina ary disoinay tanteraka ny filazana fa misy ireo antontan-taratasy fenoina sy aterina eny amin'ny SRMV mba hahazoana miditra ao anaty lisi-pifidianana sy ahazoana mifidy, hoy izy ireo ho fanajana ny lalàna Fehizoro 2018-008 momba ny raharaha ankapobeny momba ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka sy ny lalàna Fehizoro 2018-009 momba ny fifidianana filoham-pirenena. Tsy misy ny fandatsaham-bato amin’ny alalan’ny didy hitsivolana (ordonnance) amin’ny andron’ny fifidianana. Raha handeha hifidy, dia tsy maintsy mitondra ny kara-panondrom-pirenena na ny pasipaoro nomen’ny minisitera na ny fahazoan-dalana mitondra fiara (permis de conduire) ka izany dia tsara raha miaraka amin’ny kara-pifidianana. Ny kara-pifidianana tsy voazara dia azo raisina ny andron’ny fifidianana eo amin’ny toerana tsy lavitry ny birao fandatsaham-bato ka ny Lehiben’ny fokontany no miandraikitra izany. Manana adidy ny tsirairay hanatrika sy hanara-maso ny fanisam-bato. Ny fitanana an-tsoratra ny raharaham-pifidianana isaky ny birao fandatsaham-bato dia soratana eo no ho eo. Tsy azo atao ny mitondra taratasin-datsa-bato hafa ankoatr’izay omen’ny mpikambana ao anatin’ny birao fandatsaham-bato ihany. Mila hamarinina tsara izany sao efa misy famantarana mialoha. - Ny olona manana olana ara-pahitana sy ara-panoratana dia omen’ny lalàna hanendry olona iray hanampy azy amin’ny fanatanterahany ny latsa-batony. Aoka ho voamarika tsara amin’ny alalan’ny X na lavotondro na fitomboka X eo amin’ny toerana natokana ho amin’izany ny safidinao mba tsy ho vato maty na vato tsy hanan-kery ny taratasin-datsabato. Alohan’ny hidirana ao amin’ny trano fisainana, dia hamarino ihany koa fa tsy maintsy voasonian’ny mpikambana roa ao amin’ny birao-pifidianana ny ao andamonsin’ny taratasin-datsabato.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.