Dieny tsy tara, hoy ny filohan’ny antoko Tanora Malagasy miray na Tamami, Samihary Floriot, dia mbola manao antso avo amin’ny filoham-pirenena ihany izahay hoe raha hilatsaka ho fidiana ho filoham-pirenena ianao ary hametra-pialana atsy ho atsy dia tsiahivo fa misy adidy mbola tsy vitanao.
Tadidio, hoy izy, ny andininy faha 14 ao amin’ny lalàm-panorenana izay mametraka fa tokony hipetraka eo anivon’ny antenimieram-pirenena ny lehiben’ny mpanohitra. Tsy mbola tontosa anefa io hatramin’izao ary tsy misy mpanohitra eto. Raha tiana ny hisian’ny fifidianana mangarahara dia ilaina ny mpanohitra.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.