Miharihary toy ny vay an-kandrina ny hosoka sy hala-bato nataon`ny ekipan`i Andry Rajoelina tamin`ity fifidianana filoham-pirenena 2018 ity.
Rehefa nandeha ny dingana manaraka ny lalàna ( procedure legale) nataon`ny mpomba an`i Marc Ravalomanana, nanao ny fampitahana fitanana an-tsoratra sy ny famerenana fanisana eo anivon`ny CENI dia hita amin`izay ny fiantraikany amin`ny tsy fetezana amin`ny isam-bato sy izay mety nahatonga fivadihana. Amin`izao fotoana izao, manohitra ny mpifidy. Misy ireo nifidy no taizana hilamina sy hanaraka ny ara-dalàna. Misy kosa ireo voataiza fa tsy maintsy handresy na inona hidona na inona hitranga. Tsy hoe mangina ny olona dia manaiky fa kosa resy lahatra fa nisy ny tsy ara-dalàna. Nety tokoa ny dingana nataon`ny K25 sy CO 25 teo anivon`ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI). Rehefa mangala-bato dia voasazy na dia nandresy aza raha toa ka misy ny porofo mazava. Ny zava-dehibe dia tsy ny fifidianana filoham-pirenena ihany no tanjona fa hihena amin`izay ny fomba arahina (marge de manoeuvre) an`izay olona hieritreritra hangala-bato amin`ny fifidianana manaraka. Ho mora kokoa ny fanonganana izay mpitondra lany tamin`ny tsy rariny satria nibaribary tamin`ity fifidianana ity ny dingana arahina amin`ny fangalaram-bato ka na ny Antenimieram-pirenena aza dia hahavita hanongana azy amin`ny toerana maha filohan`ny Repoblika.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.