Fety roa sosona no notanterahina tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy omaly alatsinainy 3 septambra dia ny fankalazana ny faha-4351 taonan’ny firenena Koreanina sy ny faha-25
taona niverenan’ny fiaraha-miasan’i Korea sy Madagasikara. Raha tsiahivina, efa tamin’ny taona 1962 no niara-niasa ny firenena Malagasy sy ny Koreanina saingy ny fisian’ny ady mangatsiaka no naharava ny fifandraisana. Tamin’ny 19 mey 1993 indray vao nivitrana ny fifamatorana ary hatreto dia mandeha tsara ny fiaraha-miasa. Naneho ny heviny ny ambasadaoron’i Korea Atsimo miasa sy monina eto Madagasikara, Lim Sang Woo ny amin’ny tokony hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra. Hanolotra 100.000 dolara na 335.090.000 Ariary (1dolara=3350, 9Ar) izahay fanampiana homena ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI), hoy izy. Tokony hifantoka tanteraka amin’ny fampandrosoana amin’izay ny Malagasy aorian’io fifidianana io ary vonona i Korea Atsimo hanohana, indrindra lafiny toekarena. Mila maka lesona amin’ny tantaran’i Korea i Madagasikara satria firenena tena efa potiky ny ady izy kanefa nisondrotra ary lasa manankarena noho ny finiavana sy ny fitiavan-tanindrazana nananan’ny vahoaka Koreanina.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.