Iray amin’ireo didin’ny Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana ny fanatanterahana fifidianana mialoha ny fotoana. Ny tolo-kevitry ny Vaomiera mpikarakara ny fifidianana na ny CENI, dia ny 28 aogositra no hatao.
Miala amin’ny toerany ny 28 jona na farafahatarany ny 28 jolay izany i Hery Rajaonarimampianina, raha mbola ho kandida. Tafapetraka io ny praiminisitra vaovao, ka anisan’ny iraka hampanaovina azy ny fanatanterahana fifidianana madio sy mangarahara ary ekena sy handraisan’ny rehetra anjara. Tena ho tonga any amin’izany tokoa ve isika amin’izao zava-misy izao ? Vao tany amin’ny fanendrena praiminisitra aza, dia efa nandeha ny endrika savorovoro teo amin’ny depiote TIM sy MAPAR, izay efa nilamina indray aloha. Nilokalokana teny an-kianja ny fandravana ny rafitra rehetra, izay efa nezahin’ny HVM nofehezina tanteraka mba hahafahany manana fototra politika amin’ny alalan’ny fampiasana fahefam-panjakana. Ekena fa rava aloha ny governemanta HVM, fa ny rafitra sy ny politika napetrany tany ifotony tsy tena rava. Mbola mipetraka ve ny fitakiana amin’ny handravana ny CENI, izay efa nodradradradraina teny an-kianja fa mila ravana satria tsy atokisana intsony ? Efa nisy ihany koa ny fitakiana ny hananganana fitsarana momba ny fifidianana satria efa tsy azo antoka intsony ny Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC. Mbola ao anatin’ny fitakiana izany sa tsia ? Ny hirariana dia ny hoe tsy fotoam-bery maina ny an’ny vahoaka niaina ny danin-kandron’ny 13 mey iray volana mahery, fa hisy tokoa ilay fanovana tena azony tsapain-tanana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.