Tontosa omaly tao amin’ny le Chapelet Ambatolampy ny kongresin’ny Tiako I Madagasikara boriborintany faha-6. Nisy ny fampiofanana ireo mpizaika niatrika ny fotoana ny tapak’andro maraina.
Fangataham-pitahiana ho an’ny firenena niaraka tamin’ny fifanatrehan-tava teo amin’ny filoha nasionalin’ny antoko Ravalomanana Marc sy ny kandida ben’ny tanàna Ravalomanana Lalao kosa no nanamarika ny folakandro. Nankahery sy nanome toromarika ireo mpikambana TIM mandrafitra ireo fokontany 31 ny lehiben’ny antoko. Nasongadiny tamin’ny lahateny nataony ny maha zava-dehibe ny fananganana firenena vanona, ny fiaraha-mientana ao anatin’ny fahasahiana ary ny fananana fanantenana. Nambaran’ny filoha nasionaly ihany koa fa vonona hiatrika ny fifidianana kaominaly ny antoko TIM tarihany.
Tafaverina an-tanindrazana
Ny boriborintany faha-6 no notsidihan-dramatoa Ravalomanana Lalao voalohany taorian’ny fiverenany an-tanindrazana niatrika fiofanana tany Alemana. Nanao tatitra fohy ny diany tany an-toerana ny tenany niaraka tamin’ny mpiara-dia taminy Ramiaramanana Patrick. Navoitran’izy ireo tamin’izany ny fandrosoan’ireo tanàna notsidihan’izy ireo. Fampandrosoana izay mifantoka indrindra amin’ny fifehezan-tenan’ny olom-pirenena sy ny fifanomezan-tanana miaraka amin’ny fifampitsinjovan’ny mpiara-belona. Maro ireo fanovozam-pahalalana nohalalin’izy mianadahy mianaka tany an-toerana izay hoezahany hampitaina amin’ny vahoakan’Antananarivo renivohitra amin’ny fotoana mahamety azy, araka ireo lahateny fohy nifandimbiasan’izy ireo teny Ambatolampy.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.