Niandry fotsiny ny hevitry ny fitsarana avo momba ny lalŕmpanorenana momba ilay sata manokan’Antananarivo, Nosy be ary sainte Marie ny governemanta dia namoaka ny didim-panjakana miantso ny mpifidy handrotsa-bato ny 31 jolay 2015.
Raikitra amin’io daty io izany ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsain’ny tanàna manerana an’i Madagasikara. Neken’ny filankevitry ny governemanta natao omaly hariva ihany koa ny didim-panjakana mamaritra ireo kipitsopitsony amin’ny fanatanterahana izany fifidianana izany. Mialoha an’io dia efa nekena ihany koa ny fanasokajiana ireo kaominina ambonivohitra sy ambanivohitra.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.