Politique

Fifidianana kaominaly tany Amparafaravola Nivadika ho HVM avokoa no nandresy


  • Talata 22 Septambra 2015

Mitaraina ny mponina any amin’ny distrikan’Amparafaravola Lac Alaotra amin’ny fitsimbadian’ny voka-pifidianana kaominaly notontosaina ny faha-31 jolay 2015 teo

 

. Raha nizotra tsara tamim-pilaminana ny fifidiana tamin’io andro io, hoy ny depiote TIM Rabekijana Solofo Hery voafidy tany an-toerana, ary tsy nisy olana ho an’ny mpifidy koa ny vokatra vonjimaika navoaky ny Cenit satria nifanaraka tsara tamin’ireo natrehan’ny olona tany amin’ny birao fandatsaham-bato sy izay voasoratra sy voasonian’ireo delegen’ny kandidà sy ireo mpikambana tao anaty birao izany. Nahagaga anefa, hoy ity solombavambahoaka ity, fa nivadika ny rasa rehefa namoaka ny voka-pifidianana ofisialy ny fitsarana tany Toamasina fa lasa ireo kandidà HVM faharoa tamin’ny vokatra vonjimaika avokoa no lasa mpandresy, toy izay hita tany Andranobe sy Ambodimanga ary tany Vohitsara nandresen’ny kandidà TIM mazava izany, na tany Anorohoro izay nandresen’ny kandidà MMM mazava, na koa tany Ambohitrarivo izay nandresen’ny kandidà tsy miankina tamin’ny vokatra vonjimaika. Mitaraina ny vahoaka any an-toerana ankehitriny fa mahatsiaro ho voahitsakitsaka ny safidy nataon’izy ireo. Tsy fantatra izay zavatra hitranga any amin’ny distrikan’Amparafaravola vokatr’izany fa omaly izao araka ny fampitam-baovao azo dia nakaton’ny mponina ny lapan’ny tanàna tany Andranobe. Tsy rariny kosa raha hovana an-dalana toy izao, hoy ny depiote Rabekijana, ny safidim-bahoaka ka manambara ho ren-tany ren-danitra ny tenako fa tsy tompon’andraikitra amin’izay zavatra mety hiseho noho io didy io aho. Amiko, mba tsy hampisy korontana dia tokony nifanaraka  tamin’ny safidim-bahoaka ny didy navoaka,hoy izy

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT