Politique

Fifidianana kaominaly Sivanina amin’ny «Impôt synthétique» ireo kandida


  • Talata 21 Aprily 2015

Miseho amin’ny endriny samihafa ny fingampingana mba hahakivy ka hampitsoaka an-daharana mialoha ny fotoana ireo nanam-pikasana hirotsaka ho kandida Ben’ny tanŕna na mpanolotsaina amin’ny fifidianana kaominaly ho avy eo.

 

Andro aman’alina ny tsindry sy antsojay miharo fandrahonana atao amin’ny kandida ivelan’ny fanjakana. Natarazoka ny fananganana ny OVEC na ny rafitra mandray sy manamarina ny firotsahan-kofidian’ny kandida, natarazoka ihany koa ny famoahana ny didim-pitondrana avoakan’ny «Préfet» mamaritra ny isan’ny mpanolotsaina hofidiana isaky ny Kaominina, ary dia tery manaraka izany ny fe-potoana hikarakarana taratasy. Ny datin’ny 7 mey fara-farafandraisana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana anefa tsy mihemotra. Eo amin’ny ara-bola indray dia nakarina ny antoka ara-bola arotsaky ny kandida isanisany. Lazaina moa fa fandraisan’anjara amin’ny fanotana ny bileta tokana izy io. Tsy mazava kosa hoe azon’ny CENI-T ampiasaina avy hatrany ve ny vola rehefa voarotsaka ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana ? Naneho ny ahiahiny i Patrick Raharimanana nandritra ny adihevitra nifandaharany tamin’ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Atitany Andriamanantsoa Philibert Hervé tao amin’ny fahitalavitra Viva ny faran’ny herinandro teo. Etsy an-kilany indray anefa dia misy ilay hetra tambatra na «Impôt synthétique» takiana amin’ny kandida tsirairay avy. Tsy vitan’izay midangana ny sarany, fa miovaova araka ny toerana ihany koa ny sandany. Misy tambiny ho an’ny mpitaky hetra rahateo ny vola ampidiriny. Any Ambanja (DIANA) izao dia 150.000Ar isaky ny kandida no takiana, any Mampikony (Sofia) indray dia eo amin’ny 160.000Ar. Noferan’ny minisiteran’ny fitantanam-bola sy ny tetibola ho sanda tokana anefa io hetra tambatra io tamin’ny fifidianana depiote tamin’ny 2013 iny. Inona no tsy nandraisana izany fepetra izany amin’ity fifidianana manakaiky ny vahoaka ity, ny minisitry ny vola sy ny tetibola rahateo tsy eto an-toerana fa any Washington any amin’izao ? Sa atao mba hisivanana ireo kandida na hotatazan’ny antokom-panjakana izay kandida mbola te hirotsaka ary mety ho tiam-bahoaka nefa tsy manam-bola ? Dia ahoana ny amin’ireo tantsaha izay mba te handray anjara amin’ny fitantanana ny Kaominina misy azy, sa tsy fifidianana malalaka sy andraisan’ny rehetra anjara indray no hotanterahina eto ?

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT