Tsy raikitra ny fifaninanana eo amin'ny samy Ratsiraka amin'ny fifidianana Ben'ny tanàna ao Toamasina I
. Nihemotra tamin'ny ora farany i Sophie Ratsiraka, zanaka vaviaivon'ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka na efa nanoman-tena mafy ho amin'izany aza ny tenany, ary nihevitra hitarika ny lisitra Arema. Ny firotsahan'i Elysée Ratsiraka, dadatoany, no voalaza fa nampihemotra azy. Izay ihany koa ve no tsy nandrotsahan'i Roland Ratsiraka an'i Marcelle Ratsiraka vadiny, raha efa nahoraka tao Toamasina fa izy no hitarika ny lisitra MTS ?
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.