Didim-pitsarana natao ho an’ny vahoaka tsy ankanavaka iny navoakan’ireo mpitsara misahana ny ady atao amin’ny fanjakana iny, hoy ny kandida ben’ny tanŕna Ramiaranjatovo Marc omaly teny Anosy
. Nitondra fitoniana ho an’ny vahoaka ny nahafantarana ny voalazan’ny lalàna momba ireo fitarainana marobe voarain’ny rafi-pitsarana. Midika ho fahendrena manala ireo fitaintainana ihany koa anefa iny fanazavana avy amin’ny fitsarana iny. Hivoaka anio rahateo moa ny voka-pifidianana ofisialy ka miantso ireo mpifaninana rehetra sy ny vahoaka tsivakivolo hanaiky sy handray amin’ny fo tony izany ity kandida ben’ny tanàna ao Alasora ity. Fifidianana ifotony nahafahana naka lesona lehibe ho an’ny vahoaka Malagasy, indrindra tao anatin’izay roa taona nijoroan’ny Repoblika faha-4 izay io fifidianana kaominaly io. Nanehoan’ireto farany ny safidiny amin’ny olona maharesy lahatra azy hitondra fampandrosoana ny fiarahamonina izy iny, hoy ny fanamarihany.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.