Nahatratra 7150 ny isan’ireo antontan-taratasy firotsahan-kofidiana voaray teny anivon’ireo OVEC miisa 114 manerana ny Nosy, hifaninana amin’ny fifidianana kaominaly hotanterahina amin’ny 31 jolay 2015.
Mitsinjara amin’ny Kaominina miisa 1695 (1693+2) manerana ny Nosy izy ireo, izany hoe lisitra efatra isaky ny Kaominina raha atao ny salanisa. Misy Kaominina 8 amin’ireo 1695 no tsy misy afa-tsy lisitra tokana ao aminy dia ny Kaominina Mahajeby (Fenoarivobe), Morarano Soafiraisana (Andramasina), Andronomisa (Anjozorobe), Andriambilany (Ambatolampy), Ambodimerana (Anosibe an’Ala), Andekaleka (Brickaville), Mikaikarivo (Bekily) ary Sakoamadinika (Tsaratanana). Nifarana ofisialy ny zoma 15 mey teo ny fara fanaterana ny dosien’ireo mpirotsaka hofidiana. Manana 72 ora aorian’io ny OVEC hanamarina ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana voarainy raha mahafeno ny fepetra takian’ny lalàna. Tapitra anio io fe-potoana io, aorian’izay ny OVEC no mamoaka «Certificat d’enregistrement» ho an’ireo antoko na fikambanana nahafeno fepetra na “Certificat de refus” ho an’ireo tsy mahafeno fepetra ary dia mifarana eo ny asan’ny OVEC. Afaka manao fitarainana any amin’ny CENI-T ireo notsipahin’ny OVEC, ary mbola afaka miala nenina any amin’ny “Tribunal Administratif”. Tapitra izay dingana izay, vao mivoaka ireo kandida ofisialy ekena hifaninana amin’ny 31 jolay 2015. Ho fantatra amin’ny faran’ity volana mey ity izany raha ela. Hotanterahin’ny rantsamangaikan’ny CENI-T eny anivon’ny Distrika aorian’izay ny antsapaka handaharana ireo kandida ao anaty bileta tokana, mialoha ny hanontana azy.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.