Politique

Fifidianana kaominaly Lasa sakana ny hetra tambatra


  • Alarobia 29 Aprily 2015

Betsaka amin’ireo olom-pirenena nanam-paniriana hirotsaka hofidiana Ben’ny tanàna sy mpanolotsaina kaominaly no nihemotra noho ny fidangan’ny hetra tambatra takiana isam-batan’olona mba hahazoana taratasy fanamarinana fandoavan-ketra na “Etat 211 bis”, izay anisan’ny antontan-taratasy takiana amin’ny firotsahan-kofidiana.

Tsy mitovy isam-paritra anefa ny sandan’ny hetra tambatra takiana. Tafakatra roa hetsy Ariary any Vohémar raha ny filazan’i Betiana Bruno. Any Mampikony any dia valo alina sy iray hetsy Ariary no takiana raha fito alina sy iray hetsy Ariary any Ambanja, enina alina Ariary any Alaotra. Raha ny voalazan’ny lalàna dia hetra telo taona farany no takiana, ny an’ny sasany anefa takiana hatramin’ny hetra taona 2015, nefa vao volana aprily isika izao. Zary fepetra manavakavaka araka izany ity hetra tambatra ity. Inona no ataon’ny fanjakana ? Hangina amin’izao fotsiny koa ve ny CENI-T ? Ankotra io hetra tambatra io dia fantatra ihany koa fa nisy faritra nandiso ny famaritana ny isan’ny mpanolotsaina hofidiana eny anivon’ny Kaominina. Noferany niainga tamin’ny isan’ny mpifidy raha tokony natao mifanaraka ny isan’ny mponina. Niteraka fikorontanana amin’ny fanomanana ny dosien’ireo kandida izany. Antomotra anefa ny datin’ny 7 mey hifaranan’ny fandraisana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT