Politique

Fifidianana kaominaly Korontanin’ny fanjakana


  • Alarobia 06 Mey 2015

Herinandro tsy hikatonan’ny fametrahana antontan-taratasy firotsahan-kofidiana Ben’ny tanŕna sy mpanolotsaina kaominaly dia nivoaka avy eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany indray fa misy izany didim-panjakana 2015-630 tamin’ny 7 aprily 2015 izany milaza fa sady tsy asiana sary na anarana na fanampin’anarana

 

ny bileta tokana hampiasaina amin’ny fifidianana kaominaly. Maninona no didim-panjakana nivoaka efa ho iray volana lasa, iray andro talohan’ny nisokafan’ny fandraisana dosie firotsahan-kofidiana, nefa vao omaly 5 mey vao naseho ho fanta-bahoaka ? Na ny CENI-T aza fantatra fa vao omaly no nampahafantarina sy nahazo izany ka nikoropaka nanaparitaka izany haingana tamin’ireo rantsamangaikany rehetra. Paipaika politika hanilihana ankolaka ny adversera no andraisan’ny maro ity ataon’ny fanjakana ity, satria dia manakorontana ny laminasa efa nataon’ny fikambanana sy antoko niomana handrotsaka kandida. “Aiza izany no hahafantaran'ny mpifidy ny olona hametrahany ny fitokisany ? Dia ho gaga ve isika raha toa ka mangataka ny handravana ny Andrim-pitondrana ny olona ? Mila fahaiza-miaina, fijoroana amin'ny rariny sy ny hitsiny ny fitondrana firenena fa tsy ho fiarovana tombontsoa manokana fotsiny”, hoy i Fetison Rakoto Andrianirina naneho ny heviny. Noho io fepetra vaovao io koa dia tsy maintsy hamerina hanova makety indray ireo efa nandrotsaka dosie teny anivon’ny OVEC. Soa fa nohamafisin’ny filankevitry ny governemanta omaly ny tolokevitry ny CENI-T nanalava hatramin’ny 15 mey 2015 ny farafandraisana dosie firotsahan-kofidiana  raha tsy izany dia Kaominina maro nanerana ny Nosy no tsy nisy kandida na dia iray aza noho ity fahatarana sy fanakorontanana lava ataon’ny Fanjakana ity. Ankoatra izay dia milaza ny hameno ny 16 miliara Ariary banga ao amin’ny kitapom-bolan’ny CENI-T hahafahana manatontosa ny fifidianana amin’ny 31 jolay ny fanjakana araka ny nambaran’ny minisitry ny vola sy ny tetibola Rakotoarimanana Gervais.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT