Raha nanakoako ny hevitry ny antoko politika TIM sy MFM avy tao amin’ny ankolafy Ravalomanana ny amin’ny hoe samy handeha irery amin’ny fifidianana kaominaly ho avy dia handrasan’ny maro fatratra ny hevitr’ireo antoko roa hafa, ny Teza sy ny AMF/3FM samy niara-dia tao amin’ity ankolafy ity avokoa
. Nambaran’i Révérand Satrobory fa amin’ity herinandro diavina ity, ka aorian’ny filankevitra nasionalin’ny antoko izay nanomboka tamin’ny faran’ny herinandro teo eto Antananarivo, no hamoaka izay tena hevitr’izy ireo farany ry zareo. Nohajaiko fatratra ny hevitry ny maro ny tamin’ny naha ben’ny tanàna “légitime” ahy hatreny amin’ny Magro Ankorondrano ka hatramin’ny nandravana ny hetsika tetsy amin’ny Magro Behoririka farany teo. Azoko natao ny nisisika nahatonga ho “légale” an’io titre nananako io saingy nanaja hatrany ny rafitra aho tamin’ny fifanarahana fa i Neny no hatao kandidà ho ben’ny tanàna eto amin’ity renivohitra ity. Etsy an-kilan’izay anefa dia ireo namana ao anatin’ity antoko dia mbola mandrisika ahy hiroso amin’ny hirotsahana ho kandidà fa dia ny fehin-kevitry ny filankevitra nasionaly no hamaritra izay. Ny zava-nisy rahateo moa dia nampiseho tamin’ny farany fa voailika tsy ho kandidà solombavambahoaka ireo saika ho kandidàn’ny Amf/3fm. Raha ny amin’ny resaka fampihavanam-pirenena indray dia tsy miova ny hevitry ny Amf/3Fm ny amin’io, hoy ny révérand Satrobory. Aminay dia tsy misy vahaolana afa-tsy ny fampihavanana ireo fototry ny olana hatramin’ny 2009 dia Atoa Marc Ravalomanana sy Atoa Andry Rajoelina ary efa nataoko filohan’ny Amf/3Fm izany amin’ny maha mpitondra fivavahana ahy. Mbola hampoirisihako an’ireo MCT namana ny hanohizana ny “apaisement” efa natombokay teny Tsimbazaza tamin’ny nahambola am-perinasa anay. Izahay dia vonona ny handray anjara amin’ny dinika fampihavanana hatao eny Ivato araka ny efa voafaritra ary misaotra ny Ffkm nanaiky niantsoroka io asa goavana io. Mankahery ny filoha Rajaonarimampianina koa tamin’ny finiavana hanatanteraka hatramin’ny farany ny fiahiana azy io. Amiko aloha dia tokony hijoro avy ny zanaky ny repoblika rehetra, na ny voalohany, na ny faharoa, na ny fahatelo. Mbola resy lahatra ny tenako fa nahomby ny tamin’ny repoblika voalohany tamin’ny faha-Tsiranana ka tokony haverina indrindra ny resaka “Coopérativisation” izay nahomby tokoa teo amin’ny fiharian-karena.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.