Politique

Fifidianana kaominaly Handaniana vola 57 miliara Ar


  • Alakamisy 16 Aprily 2015

Omaly vao nivaky ny filohan’ny CENIT fa 19,7 tapitrisa dolara na 57 024 000 000 Ariary no vola ilaina amin’ny fanaovana ny fifidianana kaominaly amin’ny 31 jolay.

 

Efa eo am-pelatanana ny 12,2 tapitrisa dolara amin’io ary mbola mila karohana kosa ny 7,1 tapitrisa dolara. Araka ny fanazavana voaray dia tena nandray anjara mavitrika tamin’ny famatsiam-bola ny fifidianana natrehana hatrizay teto ny fitondram-panjakana malagasy, saingy ilaina foana ny fanampiana avy any ivelany, hoy Atoa Ndraina Mamy Ralaihariliva filohan’ny CENIT. Mbola any Afrika atsimo ihany moa no fantatra fa hanamboarana ireo bileta tokana hampiasaina amin’ny 31 jolay.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT