Politique

Fifidianana kaominaly Antananarivo Fitoriana 20 monja no azo noraisina


  • Alarobia 16 Septambra 2015

Hamoaka ny didim-pitsarana momba ireo fitoriana miaraka amin’ny fitarainana miisa 347 voarainy rahampitso ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana eto Antananarivo

. Tsy mitombina sy tsy azo raisina avokoa ny 300 mahery amin’izy ireo satria tsy nahitana porofo mazava na tsy voamarina ny 200 raha tsy nanara-dalàna kosa ny 100, araka ny angom-baovao natao. Fitoriana miisa 20 monja noho izany no dinihan’ity rafitra mahefa hamoaka ny voka-pifidianana ofisialy ny zoma 18 septambra 2015 izao. Ireo antontan-taratasy ireo ihany mantsy no nanaraka ny lalàna sady ahitana porofo mivaingana raha ny fanamarihana azo tamin’ny fanangonam-baovao. Miroso mankany amin’ny fanafoanana ireo vato azon’ny kandida sasantsasany tamin’ireo birao fandatsahambato ny fisian’ny porofo eo ambany mason’ireo mpitsara. Azo ekena ny fitarainana nataon’ny fikambanana Freedom teto Antananarivo renivohitra fa tsy marim-pototra, hoy ihany ny fanampim-panazavana azo teny Anosy. Tsy didim-pitsarana akory ny fehinteny saingy misy lanjany amin’ny fanapahan-kevitra tsy maintsy horaisina.


Nangonin-dRamano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT