Nofaritan’ny filankevitry ny governemanta omaly ny vola antoka tsy maintsy haloan’ireo kandida ho ben’ny tanŕna sy mpanolotsain’ny tanŕna amin’ny fifidianana hotanterahana ny 31 jolay ho avy izao.
Raha fintinina dia 300 000 Ar ka hatramin’ny 3 000 000 Ar izany antoka izany. Eny amin’ny kaominina ambanivohitra, ohatra, dia mandoa 300 000 Ar ny lisitra ahitana mpanolotsaina 5 raha toa ka 370 000 Ar kosa ho an’ny lisitra ahitana mpanolotsaina 7. Ho an’ireo kaominina ambonivohitra kosa dia manomboka eo amin’ny 400 000 Ar ho an’ny lisitra ahitana mpanolotsaina 9 ary 1 000 000 Ar ho an’ny lisitra misy mpanolotsaina 19. Noferana ho 3 000 000 Ar kosa no vola antoka aloan’ny lisitra iray ho an’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Tsy mbola voafaritra mazava aloha hatreto ny isan’ny mpanolotsaina satria tsy mbola nambaran’ny governemanta ny isan’ny boriborintany hisy eto an-drenivohitra. Hijanona amin’ny 6 tahaka ny amin’izao fotoana ve sa mety hitombo ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.