Efa manomboka ny sivana eo anivon’ny antoko Tiako i Madagasikara ao Toamasina renivohitra izao. Efa nahetsika avokoa ny DisTim rehetra nikaroka izay ho kandida ho ben’ny tanàna sy mpanolotsain’ny kaominina ho an’ny antoko.
Ho an’i Me Rasamimaka Mahefalahy izay mpitarika sy mpandrindra ny antoko nanomboka ny taona 2002 ary lasa mpandrindra ny ankolafy Ravalomanana tao Toamasina nanomboka ny taona 2009, dia ho kandida eo anivon’ity antoko noforonin’Atoa Ravalomanana Marc izy. Ny alarobia tolakandro teo tao amin’ny trano fiasany no nilazany ny faniriany hofidiana ben’ny tanàna amin’ny anaran’ny TIM ao Toamasina I. Ny fahatsapany fa tena latsaka an-katerena tanteraka ny kaominina ka mila harenina haingana, ny fahitany fa mila miverina maka toerana ny antoko hahafahany manohy ny lalana “tsara” efa nosoritany ho an’ny vahoaka, ary ny fanomanana sahady ny fiverenan’Atoa Ravalomanana amin’ny fitondrana hanalana ny fahantran’ny Malagasy sy ny fitotongan’ny toekarem-pirenena no tena nanosika azy ho mpirotsaka amin’izao fifidianana ben’ny tanàna izao. Nomarihany hatrany fa raha tsy izy aza no hofidian’ny foibe hitarika ny antoko TIM ao Toamasina, dia vonona ny tenany hanohana sy hampandany ny kandidan’ny TIM.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.