Vonona amin’ny fiatrehana ny fididianana ho filoham-pirenena Malagasy hotanterahina amin’ny 7 novambra 2018 izao i Dada “Marc Ravalomanana” sy ny mpifidy azy, hoy Rakotomamonjy Philippe filohan’ny Distim Boriborintany Voalohany eto Antananarivo.
Tsy izahay mpikambana TIM fotsiny no vonona fa ny vahoaka mpifidy azy rehetra manerana ny nosy mihitsy satria efa nolazainy ombieny ombieny fa kandidam-bahoaka ny tenany. Mbola manembona an’i Dada daholo ny vahoaka maro, hoy ihany Rakotomamonjy Philippe, noho ny zava-bitany fony izy teo amin’ny fitondrana. Izy rahateo sady midina ifotony miresaka mivantana amin’ny vahoaka ary tena mahay maka fon’ny olona amin’ireny toerana lalovany ireny ka tena mbola tsaroan’ny olona na dia efa nisy 5 taona aza no voatery nipetraka tany Afrika Atsimo tany. Masa-bary maito kitoza izany, hoy ity filohan’ny Distim Boriborintany I ity, i Dada “Marc Ravalomanana” sy ny mpifidy azy ka ny datin’ny 7 novambra sisa handrasana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.