Politique

Fifidianana ho ben’ny tanŕna ao Toamasina Vehivavy 03 sy lehilahy 14 no mikasa hifaninana


  • Alakamisy 12 Martsa 2015

Efa mandeha ny resaka sy fakan-kevitra samy hafa ho an’ireo te-ho kandida amin’ny fifidianana izay ho ben’ny Tanana eo anivon’ny kaominina ambonivohitry Toamasina. Raha ny fikasa aloa hatreto dia miisa 17 ireo mety hifaninana amin’izany, ka miisa 03 ny vehivavy ary 14 kosa ny lehilahy amin’izany. Raha ny tena efa vonona sy efa

 

manomana ny kianja hilalaovana aloha hatreto dia ireo vehivavy, izay ahitana ny Rtoa Tsé Claudine laharana faha-03 tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo, eo koa ny zanaka vavin’ny amiraly Rtoa Sophie Ratsiraka izayefa nilaza fa vonona ny handrobaka fitondrana amin’izay eto Toamasina, ary fahatelo dia tale jeneraly na orinasa ao Toamasina izay mbola tsy nanaiky aloha ny amoahana ny anarany. Ho an’ireo lehilahy efa vonona kosa dia Me Rasamimaka Mahefalahy amin’ny anaran’ny TIM sy ny ankolafy Ravalomanana, Dr Rakotomanana Gervais amin’ny alalan’ny fikambanana Toamasina Mandroso Madio Mazava, Joel Gerard Patrick izay tsy mbola fantatra na hilatsaka amin’ny tenany na anaty fikambanana, Jean Berthin tale jeneralin’ny SMMC, tsy mbola fantatra kosa na Rtoa mamy Narove na Atoa Bruno Lahady zanaka lahin’ny Lahady Samuel no hitondra ny fanevan’ny HVM, Balahy paul ho an’ny MTS, Benessy Harison mandroso mihemotra amin’ny fanapahan-kevitra, Andrianantenainy Olivier talen’ny CRJS, Intsourou Eric mpandraharaha, ary Haja Jean Réné avy amin’ny IMT. Ankoatra izay, handatsaka olona ny FIVOY an-dRtoa Ndahimananjara Johannita depiote tamin’ny anaran’ny MAPAR, ny TGV izay sahirana mitady olona harotsaka, sns…

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT