Efa nolazaina fa tsy hanam-paharoa tamin’izay nitranga teto ambonin’ny tany ity fifidianana ho filoham-pirenena eto Madagasikara indray mitoraka ity.
Nolazaina fa anisan’ny maha hafakely azy ny fisiana kandida maromaro mivondrona sahady kanefa ny fihodinana faharoa aza tsy mbola manomboka. Teo ihany koa ny filazana kandida iray sahady mihitsy fa hanohana kandida hafa tamin’iny fihodinana voalohany iny hatrany. Ny ankoatra izay moa tsy mila lazaina loatra satria dia ny iray tamin’ireo kandida miisa 25 amin’ny 36 nanakana ny hanaovana ny fifidianana ihany no niaiky fa tsy nisy fifidianana kisampontsapona toy ity. Izay ny taloha sy nandritra ary taorian’ny fifidianana fa efa nivoaka moa iny ny valim-pifidianana tsy ofisialy izay vao mainka mety hahatsikaiky lavitra ny mieritreritra azy. Miisa 9.898.544 ireo mpifidy voasoratra anarana ary ny 5.367.971 tamin’ireo ihany no tonga naneho ny safidiny, izany hoe 54,23%. Miisa 392.853 ireo vato fotsy sy maty, izany hoe 7,32%. Raha tsiahivina fohy, 39,19% ny salanisan’ny kandida nahazo vato be indrindra. 35,29% ny an’ny faharoa. 8,84% ny an’ny fahatelo ary ny ambiny rehetra moa dia latsaky ny 2% avokoa, izany hoe, kandida miisa 33 be izao no resin’ny vato fotsy sy vato maty. Heverina fa na inona tsy fahatomombanana nitranga tamin’iny fifidianana iny dia lesona tokony hosainin’ny mpanao politika vaventy sy izay rehetra mbola mieritreritra ny hilingilingy amin’ny fifidianana solombavambahoaka ho avy io ihany ny zava-nitranga tamin’ity fifidianana filoham-pirenena ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.