Amin`izao ankatoky ny fifidianana izao, tsara no manamarika fa zo sy adidy no mifidy. Amin`ny maha zo azy, ny olona voasazy ihany no tsy mahazo mifidy na olona izay heverina fa tsy manana fahefana ara-tsaina hanao an`izay.
Amin`ny maha olo-pirenena feno no hanomezana izay zo izay ka afaka mifidy malalaka tsara ny olona. Adidy ihany koa satria ny fifidianana filoham-pirenena no anisan`ny fifidianana goavana indrindra ao anatin`ny rafitra demokratika. Antony: ao anatin`ny dimy taona ny filoham-pirenena no hitantana ny firenena. Ao anatin`ny dimy taona ihany koa no tokony hanatanteraka ny programan`asany izay tena antony hifidianana azy. Marihana fa teo amin’ny 32,14% ny tarehimarika tsy fandehanan’ny olom-pirenena manefa adidy fanehoan-kevitra io ny taona 2001. Niakatra ho 38,07% indray izany salanisa tsy fandraisana anjaran’ny mpifidy Malagasy ity ny taona 2006. Nandritra ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany tamin’ny 25 oktobra 2013 lasa teo dia mbola io 38,14% io ihany no isan’ireo olom-pirenena tsy tonga nandrotsa-bato nisafidy izay olona tiany hitondra ny firenena malagasy. Tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa farany teo dia tena efa manakaiky ny antsasa-manilan’ny mpifidy voasoratra anarana tao amin’ny lisi-pifidianana no tsy tonga nifidy satria hatramin’izao dia vinavinaina ho 49% mahery ny taha tsy fandraisana anjaran’izy ireo. Kandidà 36 no hirotsaka amin`ity fifidianana ity noho izany maro ny safidy. Mety hiteraka fahavoazana goavana ihany kosa ho an`izay olona tsy hifidy sy tsy hanatanteraka ilay adidy satria ao anatin`ny dimy taona isika no hihaina ilay vinan`ilay olona nofidian`ny hafa satria ianao tsy nifidy. Tokony atao izay safidy izay ary tokony atao ny fanatanterahina izay adidy izay nomen`ny lalàmpanorenena izay. Ny CENI rahateo dia miezaka hatrany hanentana ny rehetra mba hanatrarana ny tahan`ny mpifidy ho 70% amin`ity fifidianana 2018 ity.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.