Politique

Fifidianana filoham-pirenena Zo sy adidy no mifidy


  • Alakamisy 11 Oktobra 2018

Amin`izao ankatoky ny fifidianana izao dia hizingizinina fa zo sy adidy no mifidy.

 Amin`ny maha zo azy, ny olona voasazy ihany no tsy mahazo mifidy na olona heverina fa tsy manana fahefana ara-tsaina hanao an`izay. Amin`ny maha olom-pirenena feno no hanomezana ny zo ka afaka mifidy malalaka tsara ny olona. Adidy ihany koa satria ny fifidianana filoham-pirenena no fifidianana goavana indrindra ao anatin`ny rafitra demokratika. Antony, ao anatin`ny dimy taona ny filoham-pirenena no hitantana ny firenena. Ao anatin`ny dimy taona ihany koa no tokony hanatanteraka ny programan`asany izay tena antony hifidianana azy. Kandidà 36  no hirotsaka amin`ity fifidianana ity, noho izany, maro ny safidy. Mety hiteraka fahavoazana goavana ihany kosa ho an`izay olona tsy hifidy sy tsy hanatanteraka ilay adidy satria ao anatin`ny dimy taona isika no hiaina ilay vinan`ilay olona nofidian`ny hafa satria ianao tsy nifidy. Noho izany, ilaina ny safidy ary mila tanterahina ny adidy nomen`ny lalàm-panorenana.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT