Politique

Fifidianana filoham-pirenena Mirary fifidianana milamina ny Amerikanina


  • Sabotsy 01 Desambra 2018

Anisan`ireo nanao fanambarana ny andron`ny famoahan`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny voka-pifidianana ofisialy ny alarobia lasa teo ny firenena Amerikanina.

 

 

 Tonga nitsidika ny praiminisitra lehiben`ny governemanta, Ntsay Christian, ny delegasionina Amerikanina izay tarihan`i Stuart Wilson. Nanambara ity mpiraki-draharahan’ny masoivoho Amerikanina ity fa nahafa-po azy ny fizotr’izany tao anatin’ny filaminana tanteraka, ary porofon’ny fandalàn’ny Malagasy ny demokrasia ihany koa. Mirary hatrany ny firenena amerikanina ny hizoran’ny fihodinana faharoa amim-pilaminana. Ankoatra izay, noresahina nandritra ny fihaonana, ny mikasika ny ady atao amin’ny fanandevozana amin’ny endriny vaovao, izay manan-danja lehibe ho an’ny firenena roa tonta ka nisy ny fanaovana jery todika ny toe-java-misy eto Madagasikara, ary antenaina ny hitohizan’ny ezaka rehetra efa natao. Noraisin’ny praiminisitra Ntsay Christian, omaly ny delegasiona amerikanina ary fotoana ihany koa nampahafantarana ny tale vaovao eo anivon’ny USAID, Andriamatoa John Dunlop.

 

Marigny A

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT