Nahalasa saina ny vaovao navoakan’ny gazety La lettre de l’Ocean Indien izay nilaza fa efa am-polony mahery amin’ireo kandida 36 hilatsaka ho filoham-pirenena eto amintsika no efa noresahan’ny rosianina.
Tsy dia ilay izy nifampiresaka no tena mampanahy fa ilay fifanarahana ambadika voalazan’ity gazety iraisampirenena ity ho takalon’ny fanohanan’izy ireo izay kandida sahy miara-dia aminy. Araka ny voalaza dia anisan’ny natonin’ireo masoivoho rosianina ny birao fiasan’ny kandida heverina ho madinika sasantsasany saingy tsy nahazoan’izy ireo valiny mahafa-po ary dia namoahan’izy ireo teny mihitsy hoe “tsy manan-katoraka nefa be hambo.” raha ny tatitr’ity gazety ity hatrany. Kandida heverina ho matanjaka toa an-dry Dama Mahaleo, Jean Max Rakotomamonjy, Jean Ravelonarivo, Mailhol, Saraha Rabeharisoa, Omer Beriziky, Arlette Ramaroson, Olivier Mahafaly, Didier Ratsiraka kosa no voalaza fa taorian’ny nanasan’ny Rosianina azy ireo nandritry ny faoraoma ekonomika iraisampirenena natao teny Ivato ny 17 sy 18 aogositra teo dia saika nanambara avokoa fa tokony hahemotra ny fifidianana satria, hono, hoy ity gazety ity, tsy vonona ny filoha Rajaonarimampianina kanefa efa mihetsiketsika te hanampy azy ireo i Moscou. Anisan’ny tilian’ny Rosianina moa raha ny fampitam-baovao ireo nosy manodidina an’i Madagasikara na “Iles eparses” sy ny tetikasan’ny Toliara Sands any atsimo, izany hoe ny resaka solitany sy angovo, satria efa vinavinain’izao tontolo izao fa ho tahiry lohalaharana amin’izany i Madagasikara atsy ho atsy. Tsara moa ny manamarika fa io ahiahy amin’ny fitsabahan’ny Rosianina amin’ny resaka fifidianana filoham-pirenena io no olan’ny filoham-pirenena Amerikanina Donald Trump amin’izao fotoana izao satria dia hoe nisy fifanarahana nifanaovan’ny ekipany sy ny Rosianina. Ny mampanahy dia hafangaron’ireo kandida ve sanatria ny atao hoe “tia tanindrazana” sy “mivarotra tanindrazana” ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.