Politique

Fifidianana filoham-pirenena Mamofompofona korontana


  • Alarobia 10 Oktobra 2018

Tsy azo lavina fa be loatra ny isan’ireo kandida ho filoham-pirenena tamin’ity indray mitoraka ity. Nanomboka tany amin’ny taona 1982 ka hatramin’ny 2007 dia nanodidina ny dimy aman’enina teo hatrany ireo kandida.

 

 

 Dingan-dava be avy eo satria avy hatrany dia niakatra ho 33 isa be izao ny taona 2013 ary izao lasa 36 izao nony tonga ny taona 2018. Marina fa efa lasa tokana ny bileta ka tsy samy miantoka ny azy toy ny taloha intsony saingy nihamafy ny fanontanian’ireo mpanara-baovao nony tonga ankehitriny ny fampielezankevitra hoe avy aiza daholo ny loharanom-bolan’ireto ? Tena resy lahatra fa mety ho lany sy afaka hampandroso firenena ve sa misy iraka manokana hampanaovina rafitra lehibe azy ?  Hiditra amin’ny andro fahatelo ankehitriny ny fampielezankevitra ary anisan’ny akon’izany hatreto ny hoe maro sahady ireo toerana nahitana fifandonana teo amin’ireo mpombana kandida sasantsasany. Saika ny mpomba ireo malaza ho favori aloha hatreto no heno nanao izany. Tao anatin’ny 60 taona nisian’ny repoblika teto Madagasikara dia tsy diso ny fahitana fa olon’ny fo ny Malagasy. Mora tohina sy mora faly nefa mety matahotra sy mora misolelaka koa noho ny fahantrana mianjady aminy. Noho izay toetrany efa raiki-tampisaka izay dia manararaotra mamendrofendro azy hahazoana ny fony ireo kandida sy mpanao politika mpomba azy.  Raikitra ankehitriny ny fivoizana hevitra mifanohitra isan-karazany. Ny sasany hanangana fanjakana manokana eto, hono na ilay hoe “Fanjakana gasy”, ary hankalazaina ny 14 oktobra izao, izay fetin’ny repoblika voalohany io. Kandida 21 isa amin’ireo 36 no mitaky ny hanemorana ny fifidianana. Kandida 13 amin’izy monja ihany koa no hany mba nanaiky ny hanasonia ilay hoe satan’ny fifampitondrantena hatreto. Mampiahiahy ny maro avokoa na ny CENI na ny CFM na ny HCC na ny praiminisitra. Raha fintinina dia anivona tontolo tsy tony hatreto raha ny fampielezankevitra fotsiny ary hita ho efa mamofompofona korontana sahady koa ny aloha sy aorian’izay fifidianana izay raha tsy mitandrina.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT