Politique

Fifidianana filoham-pirenena Malagasy 4,9 tapitrisa mahery no tsy nifidy


  • Alatsinainy 19 Novambra 2018

Miisa 5 367 871 amin’ny 9 898 544 no tonga nifidy izay manome 54,23% raha ny antontanisa navoakan’ny CENI tamin’ny voka-pifidianana vonjimaika nomena ny HCC.

 

 

 392 853 ny vato fotsy sy vato maty izay manome 7,32% ka manome 4 975 018 izany ny vato manan-kery. Mahatratra hatrany amin’ny 4 530 673 izany ny mpifidy voasoratrana anarana tsy nandray anjara mihitsy tamin’ny latsa-bato, ary manome 4 923526 raha hatambatra amin’ireo nanao vato maty sy vato fotsy. Latsaka kely fotsiny amin’ny isan’ny vato manan-kery izy ireo, ary mbola azon’ny kandida roa hiatrika ny fihodinana faharoa trandrahana tsara, ankoatra ny an’ireo kandida tsy tafiakatra. Amin’ny fampielezan-kevitra rahateo, dia ny olona tsy mbola resy lahatra no resena lahatra handray anjara amin’ny fifidianana aloha, ary hifidy ny kandida iray. Izay ilay hoe tsy manjono anaty koveta satria maro ihany no mety ho diso hevitra ao anatin’io. Zava-dehibe ny fampandraisana anjara an’ireo olona 4,5 tapitrisa tsy nandray anjara mihitsy sy ireo 4 hetsy latsaka tsy nanan-tsafidy ka nanao vato maty sy vato fotsy. Tena ambany dia ambany rahateo ny taham-pandraisana anjara 54,23% izany, izay azo adika ho tsy fandraisan’andrakitra sy tsy fahatsapan-tenan’ny olom-pirenena mihitsy, ankoatra ny mety lesoka na sakantsakana noho ny kajikajy maloto ara-politika mety nanariana ny zon’ny olona maro. Na izany aza, dia efa 36 be izao ny kandida nirotsaka teo, dia tsy hisy iray mba handrian’ny saina ve farafaharatsiny ? Ilay finiavana hanao ny adidy amin’ny maha olom-pirenena mihitsy no mila fohazina fa tsy hiraviravy tanana avy eo himenomenona sy himonomonona lava eto.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT