Politique

Fifidianana filoham-pirenena malagasy 2018 Tsy hanam-paharoa


  • Alatsinainy 05 Novambra 2018

Tapa-bolana mialoha ny andehanan’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena dia efa nisy kandida miisa 25 be izao sahady, nivondrona.

6 andro mialoha ny 7 novambra izay indray avy eo, ity no tena hafa kely, dia iny fa nisy kandida nanala tena ary dia nilaza ny hanohana kandida hafa  sahady. Iretsy 25 mianadahy teo alohany moa dia ny hanemotra fifidianana no takiany ary nisy fotoana izy ireo ny hilaza hampitsahatra ny fampielezankeviny mandra-pahazoana valiny mahafa-po amin’ny fitakiany. Tsy izay anefa no hita ho nitranga fa toa sady manohy ny fampielezankeviny eny avy ihany izy ireo. Ny savoritaka marolafy tao anatin’ny fanomanana ny fifidianana, izany hoe, ny resaka lisi-pifidianana tsy tomombana sy fizarana karatra nampimenomenona ireo olom-pirenena miampy ny resaka biraom-pifidianana nofinofy, manginy fotsiny. Mampametra-panontaniana hatramin’izao hoe be ny olom-pirenena nitaraina ho tsy nahazo karatra intsony na dia nahazo aza tamin’ny fifidianana 2 farany teo kanefa dia lazaina ho niampy 2 tapitrisa mahery ny isan’ireo mpifidy. Kandida miisa 36 sa 35 sa 11 sa 11 miampy 26 sa 35 miampy 1 no hofidiana fa ny azo antoka aloha dia tsy hanam-paharoa amin’izay nitranga hatramin’izay teto ambonin’ny tany ity fifidianana filoham-pirenena Malagasy 2018 izay hatao amin’ny alarobia izao, raha tsy misy ny sampona ity.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT