“Mizotra tsara ny fikarakarana fifidianana filohan`ny Repoblika eto Madagasikara”, hoy ny ambasadaoron’ny vondrona eoropeanina, Giovani Di Girolamo.
Mijery akaiky ny fikarakarana sy ny fizotran`ny fifidianana ny vondrona eoropeanina. Nohamafisin`ity ambasadaoro ity fa hita taratra izany tamin`ny fanajana ny voalazan`ny lalàmpanorenana tamin`ny fametraham-pialan`ny filoha teo aloha sy ny fametrahana filoha mpisolo toerana. Nandritra ireo fifidianana nisesy teto Madagasikara ara-tantara dia maro ny olana saingy voahaja ny lalàna. Najoro ny governemantan`ny marimaritra iraisana izay ahitana ankolafin-kery maro samihafa ary teknisianina tsy mitanila no mitantana. Mbola nanamafy rahateo koa ny vondrona iraisam-pirenen`ny frankofonia (OIF) fa mizotra tsara ny fanaraha-maso ny lisi-pifidianana na « audit » natao. Handefa mpanara-maso ny fifidianana hiparitaka manerana ny Nosy ny Vondrona Eoropeanina mialoha sy mandritra ny fihodinana voalohany sy faharoa, indrindra izao mialoha ny fifidianana izao. Hanatevin-daharana ireo fiarahamonim-pirenena efa manana traikefa, araka izany, ireto vahiny ireto. Anisan`ny antoka haneken`ny iraisam-pirenena ny fifidianana ny fisian`izy ireo. Marihana fa ny alahady izao ireo mpanara-maso vahiny ireo no hanao valandresaka amin`ny mpanao gazety mba ahafahan`izy ireo mamelabelatra ny tena vontoatin`ny asany mandritra ny fifidianana ary ny tombony ho an`ny fizotran`ny fifidianana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.