Politique

Fifidianana filoham-pirenena Hatrehana afaka 10 andro ny fihodinana voalohany


  • Alatsinainy 29 Oktobra 2018

Na dia maneho ny fahavononana tanteraka amin`ny fiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena amin`ny 7 novambra ho avy izao ny rehetra dia misy kosa ireo manakantsakana ny hirosoana amin`izany.

 

 Manoloana ny fikasana nataon`ireo kandidà sy olom-bitsy hanemotra na hanafoana ny fifidianana ka idirana amin`ny tetezamita amin`ny alalan`ny fandroritana resaka mikasika ny lisi-pifidianana dia tsara no manamarika fa tamin`ny nidirana tamin`ny tetezamita ny taona 2009 dia efa nampiharina ny « accord de Cotonou »izay manasazy an`ireo mpitondra naka fahefana tsy amin`ny alalan`ny fifidianana. Matoa ny rehetra nekena hirotsaka, matoa mieritreritra ny hirotsaka ka manao izay fomba handaniana azy ny kandidà dia inoana fa manam-pahendrena izay mpirotsaka hofidiana tsy hiditra amin`ny fanakorontanana sy fandraisana fahefana amin`ny alalan`ny hery. Na dia natao ny fomba rehetra hanentanana ny vahoaka malagasy fa mila hahemotra ny fifidianana filoham-pirenena dia voaporofo aloha ny zoma lasa teo fa tsy mahasolotena ny vahoaka ka hanapaka eo amin`ny toerany ireo kandidà  manohitra safidim-bahoaka ireo. Tokony hiala amin`ireo fomba izay manaratsy ny firenena hatramin`izay ny mpanao politika eto amintsika. Ekena fa zo fototra ny maneho hevitra an-kalalahana saingy kosa atao manaraka ny lalàna velona eto amin`ny firenena. Folo andro sisa dia efa higadona ilay andro andrandrain`ny vahoaka Malagasy mba hanovany izay rafitra tsy nahomby tamin`ny fitantanana firenena hatramin`izay sy  ahafahany maneho ny firohany amin`ny mpanao politika eran-tany. Ny firosoana amin`ny fifidianana rahateo no efa voasoritra sy navoakan`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC). Tokony himasoana ny fihodinana voalohany amin`ny 7 novambra ho avy ka atao mangarahara sy mitovy tantana ny kandidà rehetra. Raha misy kosa ny fihodinana faharoa dia tokony ho hentitra bebe kokoa ny rafitra rehetra mikarakara fifidianana anatin`izay fifampitovian-danja sy tsy fitanilana amin`izay kandidà roa hiakatra amin`izany.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT