Nanao fanambarana niaraka tetsy Antanimena omaly zoma 04 janoary ny KMF CNOE fanabeazana olom-pirenena, ny liberty 32 ary ny “justice et paix”.
Niara-nanaiky izy ireo fa maro ireo lesoka, indrindra ny avy eo amin’ny CENI tamin’ireny fifidianana fihodinana faharoa ireny. Teo amin’ny lafiny serasera, ohatra, dia nampiroaroa saina ny olona ny hafatra nalefan’ny CENI tamin’ny finday momba ny lisitry ny mpifidy mikasika ny fahafahana mifidy. Niteraka tsy fahatomombanana ihany koa ny tsy fitovian’ny fampiharana ny lalàna mikasika ny fitondrana ny kara-panondro sy ny karatry ny mpifidy hoy izy ireo. Ankoatr’izay dia maro be, hoy izy ireo ny olom-pirenena nitaraina ny amin’ny fitanilana nisy ary goragora ny fitandroana ny fandriampahalemana nandritra ny androm-pifidianana. Nanahirana ihany koa ny famenoana ny PV, tsy naharo ny tsiambaratelon’ny safidy ny ankamaroan’ny trano fisainana ary na ny fitondrana badge tamin’ireo birao fandatsaham-bato aza dia tsy voahaja araka ny tokony ho izy. Na teo aza izany rehetra izany dia mbola nanolotra soso-kevitra ihany izy ireo tahaka ny fanarahan-dalàna sy ny fanamafisana ny fanabeazana ara-politika ho an’ireo mpomba ny kandida tsirairay.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.