Politique

Fifidianana filoham-pirenena 300 mahery ireo fitoriana eny anivon`ny HCC


  • Alarobia 02 Janoary 2019

Raha ny tatitra voaray teo anivon`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) dia ity fifidianana filoham-pirenana fihodinana faharoa ity no nandraisana fitoriana sy nahazoana fitarainana betsaka indrindra satria miisa 305 izany.

 

 

  Fitoriana avy amin`ny kandidà Marc Ravalomanana no betsaka indrindra ary mbola nisy kandidà mpiara-dia aminy no nametraka izany tamin`ny ora farany ny alatsinainy lasa teo tamin`ny 4 ora tolakandro. Fitoriana fanafoanana fihodinana faharoa noho ny tsy fahatomombanana ny fifidianana amin`ny ankapobeany, fanafoanana voka-pidianana tamina biraom-pifidianana sasany izay nahitana tsy fahatomombanana hita nandritra ny androm-pifidianana ary fitoriana fanesorana kandidà amin`ny fifidianana noho ny tsy fanarahan-dalàna nataony no anton’ny fitoriana. Azo apetraka tokoa ny fitoriana raha nisy tsy fahatomombanana, ary avela malalaka ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana hanao ny asany. Ny fitsarana ihany mantsy no manana ny teny farany, miainga amin’ ny fitoriana napetraka. Mavesatra sy goavana ny andraikitra iantsorohan`ny HCC amin`ny famoahana ny voka-pifidianana ofisialy. Enga anie hiasa ankalalahana izy ireo ary hanarina ny lesoka hita nandritra ny fihodinana voalohany. Maro ireo olom-pirenena mirary fomba fiasa tsy misy teritery ka hitsara ny fifidianana fihodinana faharoa, araka ny fahaizany sy araka ny feon’ny fieritreretany satria tsy vitan`ny hoe safidin`ny vahoaka Malagasy no eo am-pelatanany, indrindra ny hoavin`ny firenena ao anatin`ny dimy taona manaraka.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT