Politique

Fifidianana filoham-pirenena 2018 Miha miseho ny vokatry ny fanomanana kitoatoa


  • Alakamisy 03 Janoary 2019

Miha miseho ary mitombo isan’andro ny voka-dratsin’ny hamafisan-dohan’ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI, raha ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny.

 

 Raha iverenana ny tantara, ity vaomiera ity no fototry ny korontana rehetra taorian’ny fanonganam-panjakana nitranga ny taona 2009. Lesoka voalohany ny tsy nanohizany ny fanavaozana ny lisi-pifidianana nifarana ny taona 2005, raha ny nambaran’ny minisitra teo aloha, Victor Manantsoa. Miha mibontsina ny lisi-pifidianana satria tsy voafehy ny fanisana ireo olom-pirenena vaovao feno 18 taona nitombo tao anatin’ny 14 taona ary tsy nahagaga ihany koa raha tao anatin’ny lisitra hatramin’ireo efa nodimandry. Gaboraraka ny fifidianana teto Madagasikara nanomboka tamin’ilay fitsapan-kevi-bahoaka nandaniana lalàmpanorenana tamin’ny karnem-pokontany tamin’ny taona 2010 iny no ho nankaty. Zary lasa ohatra ratsy sy hita ho nanome vahana karazana kolikoly teto amin’ny firenena io nanomboka teo. Tsy ny fifidianana nandraisan’ny vahoaka rehetra anjara ihany intsony fa hatramin’ireo fifidianana lehibe toy ny fandaniana lalàna eny amin’ny antenimieram-pirenena izay nampitokona ireo depiote niisa 73 teny amin’ny 13 mey. Depiote miisa 8 koa taorian’izay dia efa nahavita nandany lalàna iray, tsy nisy bedy. Ity farany ity moa dia fifidianana filoham-pirenena mihitsy, izay efa naha be tsikera ny sehatra maro na mpanao politika io na fiarahamonim-pirenena, eny hatramin’ireo kandida miisa 36 mihitsy, fa be lesoka loatra kanefa dia mbola nizirizirian’ny CENI hotontosaina ihany ka dia izao mibaribary tsy takona hafenina mampitroatra vahoaka izao ny hosoka hila ho tsy lany laniana vokatry ny kitoatoa nanomanana azy. Ny hirariana dia ny tsy hitatra lalina indray ny fikarohana ny marina sy ny vahaolana maika momba iny kitoatoa nataon’ny CENI iny fa mba ho hendry sy hahay hifandamina ny samy Malagasy ka tsy hiverenan’ny ra mandriaka mpiseho isaky ny 10 taona intsony.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT