Tapitra ny anjaran`ny Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ka any amin`ny CENI na vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana indray izao ny baolina, hoy ny fitenenana.
Ny sabotsy ho avy izao amin’ny 10 ora maraina eny amin’ny biraon’ny CENI eny Nanisana ny antsapaka mikasika ny laharan’ireo kandidà ho filoham-pirenena nahafeno fepetra hiatrika ny fihodinana voalohany amin`ny fifidianana filoham-pirenena amin`ny 7 novambra izao amin’ny taratasin-datsabato tokana sy amin’ireo fafana amin’ny peta-drindrina. Ny alarobia lasa teo ihany no nalefan`ny HCC teny amin`ny CENI ireo antontan-taratasy fanapahana mahakasika an`izay lisitry ny kandidà izay, hoy ny fanazavana azo.
Mba hialan'ny ahiahy tsy ihavanana dia mampahatsiahy ny CENI fa ireo kandida ofisialy ireo dia manana zo hanendry solontena iray ho mpikambana ato amin'ny CENI mandritra ny fifidianana sy ny famoahana vokatra mba hisian`ny mangarahara amin`ny asa rehetra izay tanterahina. Iarahana amin`ireo solontenan`ny kandidà ireo ny dinika mahakasika ny fizotry ny fifidianana ary handray anjara feno amin`ny adihevitra sy mpanara-maso ny fanapahan-kevitra eo anivon`ny CENI izy ireo. Araka ny tetiandron`ny CENI dia amin`ny 31 aogositra no hamoahana amin`ny fomba ofisialy an`ireo lisitra sy ny toerana misy ireo biraom-pifidianana izay miisa 24.853 manerana ny nosy. Taorian`ny fametrahana ny lalàna fa tsy mahazo mihoatra ny 700 ny isan`ny mpifidy isaky ny biraom-pifidianana. Manomboka manota ny lisi-pifidianana ny CENI amin`izao, izay tsy mbola misy kosa ny sonian`ny mpifidy. Antenaina mba hizotra tsara ny fikarakarana fifidianana mba hananantsika fifidianana madio, malalaka ary mangarahara.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.