Tsotra ary zavatra 5 no hafatra hampitaina amin'ny mpitolona, ny TIM sy ireo rehetra mpanohana an'i Marc Ravalomanana, raha ny nambaran’ny depioten’ny fanovana Hanitra Razafimanantsoa nandritra ny fanatrehana ny lanonana nokarakarain’ny tanora TIM Avaradrano teny Anosiavaratra ny andron’ny sabotsy 11 aogositra lasa teo.
Nivoitra fa, ny filoha Ravalomanana dia tena hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena, vonona amin'ny lafiny rehetra na inona na inona izany, vonona amin'ny fandraisan'anjara ary vonona ny handresy, isika rehetra dia vonona ny hampandresy azy, ary ny farany ary tena lehibe dia ny hoe fihodinana voalohany dia vita satria vonona ny handresy sy efa niomana izy, hoy ity solombambahoaka ity. Ny fotoana handrotsahany ny antontan-tararatasiny fotsiny no andrasana kely sisa fa ho avy io ary tsy misy mampanahy. Efa vonona tanteraka ny dosie ary efa vita sonia ka sioka tokana fotsiny no tenenina dia apetraka iny ary roso isika, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa. Mikasika ny KMMR na ny Komity Mampandresy an'i Marc Ravalomanana dia io no hivondronan'ny olona tia sy mpanohana ka ny TIM dia tafiditra ao anatiny avy hatrany. Ny zavatra hampitaina lalandava kosa dia ny hoe aoka ny TIM tsy hibaiko ny KMMR satria io dia natao hoan'ireo tsy ao anaty antoko politika, ka maro ireo sokajin’olona ho ao anatin’io, toy ireo tsy afaka miseho mivantana any anaty antoko, toy ny mpitsara, ny mpandraharaha, ny manamboninahitra,… Mazava kosa ho an’ny rehetra fa kandida ary vonona ny filoha Marc Ravalomanana satria voaporofo mazava amin’izao fotoana izao hoe famotehana azy sy ny firenena tsotr’izao ny tao ambadiky ny raharaha fanonganam-panjakana tamin’ny 2009. Maro anefa no minia manadino ny tantara na tsy mahalala mihitsy satria raha ny ankizy 9 taona tamin’izany fotoana izany, dia mety tsy mbola tena vory saina na tsy nahalala akory ny tantara, ka mila ampahafantarina ny tena zava-nisy mba tsy ho diso fomba fihevitra na ho voasasa atidoha. Ny faran’ny herinandro teo, dia nihaona sy nitafa tamin’ny vahoakan’i Maroantsetra i Marc Ravalomanana. Tsy nisy ny fampiomanana na ny fanentanana maro samihafa. Tsy nisy mpanakanto malaza nentina nampilendalendana sy nakana ny fom-baahoaka,saingy tonga tsy nantsoina fa nasesiky ny fitiavana ny vahoaka.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.