Tapitra tanteraka ny iray volana nahafahan’ireo kandida filoham-pirenena nanao fampielezan-kevitra.
Ora sisa no isaina dia haneho ny safidiny amin’ny alalan’ny latsa-bato ny vahoaka Malagasy rahampitso 7 novambra, ka inoana fa ampy nitarafany ireo hofidiany izay iray volana nahafany nihaino ny kandida izay, ary mbola mason-tsivana lehibe ny tantara ho an’ny kandida vitsivitsy izay efa samy nitondra hoe: inona avy no nafitsoky ny tsirairay. Mety misy ny lesoka sy tsy fetezana samihafa momba ny fanomanana ny fifidianana, saingy aleo angamba ny ho avy no banjinina. Maro ny fanehoan-kevitra momba ny tsy fahatomombanana, toy ny resaka lisi-pifidianana izay ny kandida aza misy ny manakiana izany. Nandeha hatramin’ny hoe lisitra matoatoa sy hosoka samihafa. Tsy vitsy ny fandikan-dalàna toy ny hoe: olom-panjakana mpanolotsaina ny olona sokajiana ho faratampony manao fampielezan-kevitra ho an’ny kandida, minisitra mizara zavatra amin’ny anaran’ny antokony,... Malaza ny resa-bola hividianana safidim-bahoaka, ary indraindray aza tsy tahotra sy tsy henatra ny an’ny mpomba ny kandida iray mizara izany. Mandeha hatramin’ny feo hoe: efa mipetrapetraka ny hala-bato, ary efa misy an’io kandida iray io malaza ho miketrika ny hahazo 54% hatramin’ny 60% amin’ny halatra bevava. Tsy hatao mahakivy izany, ary izay aza no mila ny hambom-pon’ny Malagasy, ka vao mainka tokony hampijoro azy handresy ny ratsy amin’ny soa, araka ilay soatoavintsika. Izany no vao mainka hanentanana ny rehetra handeha handrotsa-bato ary hahay hifidy ka tsy ho sodokan’ny mety ho fampanofinofisana na ny mety ho ronono an-tavy fa hijery sy handinika tsara satria iankinan’ny hoavin’ny firenena. Ny akanga maro tsy vakin’amboho, ary rehefa tonga mandrotsa-bato ny olom-pirenena, dia ho sarotsarotra ny hangalatra ao anatin’ny taham-pandraisan’anjara ambony. Tsy vahaolana ny fahakiviana eo anatrehan’ny mety ho fandotoana ny saina sy fanakiviana samihafa, fa fotoan-dehibe izao hanehoan’ny vahoaka Malagasy ny safidiny, hanoratany indray ny tantaran’ny firenena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.