Mipoitra ny porofo samihafa mampiseho ny hosoka sy halatra nokotrehin-dRajoelina ny hahazoana fahefana. Raha lalao madio sy tsy nisy halatra io, mazava ny lalan’i Marc Ravalomanana hahazo indray ny toeran’ny filoham-pirenena rehefa nosomparana tamin’ny taona 2009.
Voatery miditra amin’ny fitakiana ny rariny sy ny hitsiny ary ny famoahana ny tena safidim-bahoaka isika noho ny halatra sy hosoka samihafa. Ampahatsiahivina hatrany fa 693 291 ny fitambaran’ny mpifidy voasoratra anarana ho an’ny faritra Androy, Atsimo Andrefana, ary Ihorombe tamin’ny 2013 saingy lasa 1. 019. 439 tamin’ity, izany hoe nitombo na nampitomboina 326 148. Tany Atsimo Andrefana, Atsimo Atsinanana, Ihorombe,… no tena nahitana endrika halatra mibaribary, toy ny hoe: tonga 100% ny mpifidy na mihiotra aza ny taham-pahavitrihana ary misy 100% ihany koa ny taham-pandresen-dRajoelina. Ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana aza nampitomboina be mitaha amin’ny tamin’ny fihodinana voalohany tamin’ny faritra maro. Ny fitanilan’ny fitantanana ny raharaham-panjakana manginy fotsiny, ary efa ireny niaraha-nahita ireny ny fijoroana vavolombelon’ny lehibena distrika milaza fa nomena baiko hanery ireo eo ambany fifehezany hampandany an-dRajoelina. Azo heverina hahazo ny laharana voalohany vonjimaika ve Rajoelina raha tena tsy misy hosoka ny fifidianana sy ny valim-pifidianana tany Atsimo niampy ny hosoka tamina faritra maro ? Raha tena nadio iny fifidianana iny, raha tsy nisy ny fitanilan’ny fitantanan-draharaham-panjakana dia tsy misy adihevitra fa efa lany i Marc Ravalomanana, ary na io voka-pifidianana niainga tamin’ny hosoka io aza tsy mitombina, ka inoan’ny rehetra fa ho azo tsy ho ela ny fandresena am-pahamarinana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.