Nilamina tamin’ny ankapobeny ny zotram-pifidianana filoham-pirenena omaly. Tsikaritra ho maro ihany ny tsy fahatomombanana izay niteraka tsy fankasitrahana sy fimenomenonana avy amin’ny olom-pirenena.
Isan’ireny ny fisian’ny olona manana kara-pifidianana kanefa tsy ao anaty lisitra; ny nanana kara-pifidianana roa; fahataran’ny fisokafan’ny biraom-pifidianana, tsy fahampian’ny delege; fividianana safidim-bahoaka, toy ilay hita teny Ankorondrano nisian’ilay fiara misy soratra hoe:“Ny fitiavana ny lehibe” indrindra voalaza fa nizara vola. Nifandrotehana ny lisi-pifidianana toy ny teny Itaosy. Nisy ihany koa ny olona fa efa avy nifidy saingy mbola niverina nifidy, raha ny fampitam-baovaon’ny olom-pirenena. Olona efa maty mbola mahazo karatra kanefa ny velona izay efa tao anaty lisitra ary efa nifidy hatramin’izay, tsy tao tamin’ity indray mitoraka ity. Nisy ihany koa ny karatra tsy nozaraina kanefa tsy misy anarana. Teo amin’ny fandatsaham-bato dia nisy tamin’ny mpifidy no nanao sonia tao ambadiky ny bileta tokana noho ny tsy fahampian’ny toromarika. Azo antoka aloha fa mety ho maro ny karazana fitoriana sy fitarainana amin’ity fifidianana ity. Andrasana ihany koa ny tatitra samihafa ataon’ireo mpanara-maso na teratany na vahiny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.