Ny taona 2013 dia ny fianakaviambe iraisampirenena no loharanon’ny fanakanana ireo mpifanandrina politika mivantana 2 lahy, Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana, tsy handray anjara tamin’ny firotsahan-kofidiana ho filoham-pirenena.
Ankehitriny kosa na nisesisesy aza ny fanambaran’ny filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina sy ny filoha nasionalin’ny HVM tamin’ny fotoan’androny, Rivo Rakotovao fa afaka milatsaka daholo ny rehetra dia hita taratra ihany fa misy stratejia hafahafa mitranga mitady hanakanana ny firotsahan’izy mirahalahy ireo indray. Na dia miala bala aza ny kandida sasany izay nangataka teny anivon’ny HCC omaly fa tsy tokony hilatsaka izy mirahalahy ireo satria niteraka korontana sy nanongam-panjakana dia hita ho miharo tahotra ihany izany. Misy kandida hafa koa izay efa malaza fa narotsaka rafitra manokana akaiky ny fitondrana ankehitriny mba hanimbana ny vaton’ny mpanorina ny orinasa Tiko. Ankoatra izay dia misy rafitra politika maromaro misy manetsika koa ankehitriny hanao izay hihemoran’ny fifidianana ka na tsy ho tanteraka ny fifidianana no tanjona voalohany na farafaharatsiny tsy afa-milatsaka ny kandida Ravalomanana sy Rajoelina izay hita ho tena hatahoran’ireo mpifaninana maro.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.