Mangataka ny hampitsaharana ny famoahana valim-pifidianana ataon'ny CENI izay azo sokajiana ho fanakorontanana ny saim-bahoaka ny kandida Marc Ravalomanana sy ny K25 amin’izao fotoana izao satria tsy marina io ary tsy mifanandrify amin'ny zava-misy marina, raha ny fanamarihany.
Efa mandeha ny fampitahana ny PV, ary takiana ihany koa ny fanamarinana ny « bulletin unique” nampiasaina isaky ny birao fandatsaham-bato: ny « numeros de serie » mitaha amin’ny « souche », ary ireo bileta tsy nampiasaina... Mangataka fampiharana avy hatrany ny lalàna amin'ireo olona namono olona, ireo nampiasa karapanondrom-pirenena CIN sandoka, ireo nampihorohoro, ireo nampiasa « bulletin unique » sandoka... Manainga ireo tompon'andraikitra eto amin'ny tany sy fanjakana: ny filoham-panjakana, ny governemanta ary ny rantsaman-gaikan'ny CENI mba handray ny andraikiny. Maro ny toe-javatra miendrika hala-bato sy hosoka izay miseho amin’ny endrika samihafa. Tany amin’iny tapany Atsimon’ny nosy iny, dia hatry ny ela no nampiahiahy ny filazana fa nitombo 54,69% ny isan’ny mpidy tany Androy ka 203 004 tamin’ny 2013, raha toa ka 314 033 kosa tamin’ity. Ho an’Ihorombe dia lasa 153 566 raha toa 102307 tamin’ny 2013 (fitomboana 50,10%). Ho an’ny faritra Atsimo Andrefana 387 980 ary lasa 551 837 (42,23%). Ambony dia ambony satria Menabe izay 34,50% no manaraka an’ireo. Toerana ankodahodan-tany amin’ny ankampobeny, mijaly ara-tsakafo, anjakan’ny tsy fandriampahalemana,… Ny minisitry ny atitany mihitsy voalaza fa nidina ifotony tany Atsimo. Nandeha ny fifidianana, ary saika manodidina ny 90% ny ankamaroan’ny taham-pandraisana anjara tany amin’ireo faritra ireo, ary manodidina ny 80 hatramin’ny 90% na mahery aza amin’ny ankampobeny ny fandresen-dRajoelina amin’ny ankamaroan’ny birao fandatsaham-bato, ka nahitana izany tany Befotaka Atsimo ho an’ny faritra Atsimo Andrefana. Amin’ny renivohitra aza misy olana karazana sakantsaka samihafa, toy ny tsy fahazoana kara-pifidianana, mainka fa any amin’ny toerana sokajiana fa lavitr’andriana. Ny isan’ireo nifidy (125) indray, ohatra, no betsaka noho ny isan’ny voasoratra anarana (105) tamin’ny Biraom-pifidianana Laharana 610301140101-EPP Antanimena Salle 01 tany amin’ny Kaominina Behabobo Distrika Beloha Androy. Tany amin’ny birao fandatsaham-bato laharana 810408020101 tany Antsiranana, dia nihoatra ny isan'ny vato tanaty vata. Araka ny lalana dia alaina an-tsapaka ny isan'y vato mihoatra. Tsy sokafana iny vato iny fa tonga dia atao anaty valopy. Nosokafana dia vaton-dRajoelina ka 13 dia naverina tao. Fanindroany mbola 13 mbola naveirna ihany. Fanintelony vao 25 dia izay vao natao tao anaty valopy,... Ny filohan’ny Birao fandatsaham-bato dia avy amin’ny CENI, saingy tahaka izany no miseho, ary azo adika ho fitanilana any amin’ny kandida faha-13 izany, ary tsy fantatra izay efa natao tao ankoatra ilay resaka fanalana ilay bileta nahitana fitanilana. Tetsy amin’ny EPP Analamahitsy aza nampifamadihana ny isam-bato azon'ny Kandida 13 (164 natao 181) sy ny Kandida 25 (181 natao 164). Misesy ny fahitana porofo hafa momba ny hosoka avo lenta, toy ny bileta efa voamarika, ankoatry ny bileta tokana niparitaka, raha tsy hilaza afatsy ireo tratran’ny K25 ny alin’ny 18 novambra. Miantso ny rehetra nahita karazana hosoka sy tsy fanarahan-dalàna ho sahy hijoro vavolombelona ny kandida Ravalomanana sy ny K25.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.