Nankasitraka ny famoahan’ny CENI ny voka-pifidianana vonjimaika ny 17 novambra teo ny SADC araka ny fanambarana nalefan’ity vondrona ity tamin’ny alalan’ny Sekretera mpanatanteraka Dr. Stergomena Lawrence Tax,
avy any Gabobrone Botswana ny 19 novambra lasa teo. Niarahaba ny CENI noho ny asa vitany hatramin’izay ka hatramin’izao, ary niarahaba ihany koa ny vahoaka Malagasy sy ny mpikatroka politika rehetra noho ny fitondran-tena mendrika sy tao anatin’ny filaminana nialoha sy mandritra iny fihodinana voalohany iny. Manomana ny fihodinana faharoa hatao amin’ny 19 desambra amin’izao fotoana izao ka manao antso avo amin’ny mpanao politika sy ny vahoaka mba hitandro hatrany ny fitoniana sy ny filaminana ny SADC, mba hahafahan’ny rehetra mifidy an-kahalalahana izay hitondra azy. Nisaotra manokana an’i Joaquim Chissano, iraka manokan’ny SADC taty Madagasikara ihany ity rafitra ity tamin’ny ambara fa haitarika na « leadership » nasehony amin’ny fitarihana ny mpikatroka politika samihafa mba hikaroham-bahaolana maharitra amin’ny fanamby politika ilain’i Madagasikara amin’izao fotoana. Milaza ho manohana hatrany an’i Madagasikara ny SADC, ary vonona amin’ny fiaraha-miasa amin’ny vahoaka Malagasy amin’ny tanjona goavana dia ny fametrahana fitoniana sy filaminana ara-politika hahafaha-miroso amin’ny fampandrosoana maharitra sy lovain-jafy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.