Politique

Fifidianana filoha Manana ny ambarany koa ny iraisam-pirenena


  • Alakamisy 15 Novambra 2018

Mifantoka amin’ny voka-pifidianana sy ireo karazana tsy fahatomombanana maro samihafa manodidina izany ny adihevitry ny olom-pirenena etsy sy eroa tato anatin’ny herinandro izao.

 

 

 

 Samy manana ny kandida tohanany moa ny tsirairay. Mifamahofaho ihany koa ny karazam-baovao sy ny honohono, hany ka maro ihany no fanina. Tsy voaresaka intsony ny zava-nitranga mialoha ny nirosoana tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany ny alarobia 7 novambra 2018 iny, dia ny fidiran’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny zotram-pifidianana eto Madagasikara, izay tsy vao izao ihany fa na tamin’ny 2013 ihany koa aza fony nampiharina ilay “ni..ni”. Nanaiky ny hanome 12 tapitrisa dolara na 43 560 000 000 Ariary amin’ny alalan’ilay tetikasa Sacem mba hamatsiana ara-bola ny zotram-pifidianana eto Madagasikara ireo firenena mpiara-miasa. Nanara-maso ny fandrafetana ny lisi-pifidianana izy ireo, tany ivelany no natonta ny bileta tokana, manana ny foibeny eny amin’ny CENI Alarobia io Sacem io. Maro ny mpanara-maso avy amin’ny vondrona iraisam-pirenena tonga teto nijery ny zava-misy mialoha ny propagandy, nandritra ny propagandy, ny tontolo andron’ny fifidianana, nanatrika ny fanisam-bato ary ankehitriny dia mbola manara-maso ny fikirakirana ny voka-pifidianana. Anisan’ny nandefa mpanara-maso eto Madagasikara ny Sadc, Vondrona Afrikanina, Fikambanana iraisam-pirenena momba ny Frankofonia (OIF) ary ny vondrona eoropeanina. Ity farany dia efa namoaka fanambarana savaranonando ary namaky bantsilana ny fisiana kandida nizara vola nandritra ny propagandy. Azo antoka fa tsy hitazam-potsiny ny zava-misy ny vahiny, izay namatsy ny ampahany betsaka tamin’ny tetibolam-pifidianana ary maro amin’ireo mpamakafaka politika sy mpandinika no milaza fa tsy maintsy ny kandida eken’ny fianakaviambe iraisam-pirenena sy azony antoka fa afaka hiara-kiasa tsara aminy no ho filoha manaraka eo. Ry zareo tandrefana ahitana ny Amerikanina, Frantsay, Alemana miampy ireo mpamatsy vola mahazatra dia ny Banky iraisam-pirenena sy ny Tahirim-bola iraisam-pirenena ary indrindra fa ny firenena mikambana sy ireo rafitra maro samihafa ao anatiny no ambara eto hoe fianakaviambe iraisam-pirenena. Fikambanana iray goavam-be izay iaraha-mahita fa mifaninana ara-toekarena sy ara-politika amin’ny tatsinanana ahitana ny Sinoa sy ny Rosianina.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT