Politique

Fifidianana Filoha Hanolotra kandida ny AREMA…


  • Sabotsy 11 Aogositra 2018

Fifidianana Filoha Hanolotra kandida ny AREMA…

Sesilany ny fanambarana ataon`ireo vondron-kery maro amin`izao fotoam-pifidianana izao. Misy kosa anefa ireo minia mangina. Ny antony tsy fantatra na dia heverina ho manana hevitra tsara aza. Anisan`ireo nisafidy nangina ny antoko AREMA satria tsy nahitan-teny firy manoloana ny fihazakazaky ny toedraharaham-pirenena. Nialoha ny famoahana ny datim-pifidianana anefa, anisan`ireo namorona sy nafana fo tamin`ny fitarihana ny Hetsika ho Fanorenanan Ifotony (HFI) ity antoko ity. Mahalasa fisainana ny maro ankehitriny ny fahanginany. Sa kosa mikononkonona zavatra ny AREMA ? Raha jerena akaiky ny zava-misy, taorian`ny famoahana datim-pifidianana dia nihazakazaka nitsidika an`i Frantsa sy nihaona tamin`ny filoha Rosianina, Vladmir Poutine, ny Amiraly Didier Ratsiraka. Araka ny fampitam-baovao hatrany, voaresaka nandritra ny fihaonana ny traikefa nentin’ingahy Didier Ratsiraka tamin’ny fanampiana amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Notsindrian’ny filoha rosianina ihany koa ny tokony hanaovana azy ho modely amin’ny sehatra maro. Voalaza ihany koa fa mametraka fifandraisana amin’ny fomba mahasoa sy marim-pototra amin’ny Federasionin’i Rosia i Madagasikara, indrindra eo amin’ny fiaraha-miasa amin’ny mahaolona, ara-tsiansa sy teknika… Raha ny loharanom-baovao azo dia manomana ny kandidà harotsany ny AREMA sady manana olona maro azo atolotra saingy kosa miandry ny tso-drano avy amin`ny filoha mpanorina, Amiraly Didier Ratsiraka. Antoko anisan`ny goavana sy nametraka tantara teto amin`ny firenena tokoa ny AREMA satria raha ny fifidianana filoham-pirenena izay nataony hatramin`izay dia nanana vato teo amin`ny 35% ny antoko sady mbola filoha tsara fifandraisana any ivelany ihany koa i Didier Ratsiraka. Andrasana ny fanambarana ofisialy mahakasika izay lahadinika natao.


Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT