Teboka efatra no nivoitra nandritra ny sehatra ifampidinihana nokarakarain'ny CENI omaly niaraka tamin`ny solontena avy amin'ireo kandida roa hifaninana amin'ny fihodinana faharoan'ny Fifidianana Filoham-pirenena ny 19 desambra ho avy izao.
Araka izany, sehatra efatra no omena ireo solontenan'ny kandida roa tonta amin'ny fihodinana faharoa ny fanamafisana sy fanatsarana ny mangarahara. Voalohany, ny alakamisy 6 sy ny zoma 7 desambra ho avy izao, miantso ny solontenan'ny kandida ny CENI miaraka amin'ny manampahaizana informatikan'izy ireo avy, hosokafana ny logiciel ary hampahafantarina amin'izany ny fomba fikirakirana ny voka-pifidianana. Hisy ny andrana (simulation) hatao mandritra izany. Antsoina miaraka amin'ireo kandida ihany koa ny manampahaizana ara-informatikan'ireo mpanaramaso fifidianana sy ireo manampahaizana iraisampirenena izay miaramiasa amin'ny CENI amin'izany. Faharoa, ny 11 hatramin'ny 13 desambra, hofanina miaraka amin'ny ivontoerana 9 ireo mpikambana ao amin'ny SRMV 119 manerana ny nosy miaraka amin'ireo tomponandraikitra ara-informatikan'ny CENI isaky ny distrika na ny CID. Mbola asaina ihany koa ny solontenan'ny kandida sy ireo manampahaizana ara-informatika avy amin'izy ireo tsirairay avy amin'izany. Maraka izany, mandritra ny fikirakirana ny voka-pifidianana eny amin'ny SRMV sy ety amin'ny CENI foibe, hanana toerana manokana azon'izy ireo anarahana-maso ny fivoaran'ny vokatra ny solontenan'ny kandida. Homena azy ireo isanandro ny vokatra isaky ny biraom-pifidianana izay voaray. Farany, andritra ny fikirakirana ny vokatra, hisy ny fivoriana isanandro iarahan'ny CENI amin'ireo solontenan'ny kandida roa tonta, sehatra natokana hifanazavana sy hifampiresahana mivantana amin'izy ireo. Izy ireo izay nomen'ny Filohan'ny CENI hafatra manokana momba ny fifanajana, ny fitoniana ary ny fitiavan-tanindrazana. Samy tompon’andraikitra amin'ireo teboka telo ireo na ny CENI na ny kandida mpifaninana araka ny nambaran'ny Filohan'ny CENI.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.